Andriamanitra Mahery, Rain’ny Mandrakizay, dia tonga teto an-tany, nohomboana tamin’ny hazofijaliana, ary niaritra ny fanesoana sy ny fanamavoana ary ny fanenjehan’ny olona tsy tambo isaina. Na izany aza, niaritra mangina izany rehetra izany Izy mba hahitany ny tena vahoakany, hanonitra ny fahotany rehetra ary hamonjy azy.
Ao anatin’ny dingana fanavotana ireo zanaka ara-lanitra, dia i Jesosy tamin’ny fiaviany voalohany, i Kristy Ahnsahnghong tamin’ny fiaviany fanindroany, ary i Jerosalema Reny Ara-lanitra dia tonga teto an-tany tamin’ny nofo rehetra. Araka ny faminaniana, io lalana io dia tsy azo ihodivirana ny andro fahalahelovana, arahin’ny andro fifaliana izay handraisana ny voninahitra. Mifanaraka amin’izany fampanantenana izany, dia aharihary eran’izao tontolo izao ny voninahitr’Andriamanitra Reny, izay mitarika ny Fiangonan’Andriamanitra ankehitriny.
Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin'ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin'ireny moa no itorahanareo vato Ahy? Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Ianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra. Jaona 10:32–33
Tsy hilentika intsony ny masoandronao, Ary ny volanao tsy hisoka; Fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, Ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao. Isaia 60:20
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA 
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy