Ny filazantsaran’ny Fiangonan’Andriamanitra, izay nanomboka teo amin’ny toerana kely toa ny efitrano ambony tranon’i Marka, dia nitombo teo ambany tsodrano sy fitarihan’Andriamanitra Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny ary lasa fiangonana maneran-tany izay nampiely ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao.
Raha manaram-po amin’ny eritreritra sy ny fiainana mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra isika, dia tsy afaka hambinina mihitsy. Nanota ny Israelita tamin’ny fisalasalana ny amin’ny herin’Andriamanitra na dia taorian’ny nanatri-maso ireo fahagagana maro nataony aza, kanefa raha mankamamy an’Andriamanitra izay manampy antsika mandrakariva isika, dia hahazo fitahiana be dia be.
Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao. Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin'ny vavany, Ary alatsaho ao am-ponao ny teniny. Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, Eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka. Ario eny amin'ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, Eny, ario eny amin'ny vato eny an-dohasahandriaka ny volamena avy any Ofira; Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao. Joba 22:21–25
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy